Nihaona tamin'ny Loholona Cook Andro Farany Andriamatoa hajaina Andry Nirina Rajoelina, Filoham-pirenena ao Madagasikara.

President of Madagascar meets with Elder Cook

Nihaona tamin’ny Loholona Quentin L. Cook, izay Apôstôly ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny Filoha Andry Rajoelina ny talata 21 febroary mba hiresaka mikasika ny firenena sy ny zavatra ilain’ny firenena ary ny fitombon’ny Fiangonana.

Noraisina an-tanandroa tao amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha tamin’ny alalan’ny mpiambina nanao fomba ara-miaramila nijoro nanome voninahitra teo amin’ny varavarana lehibe fidirana ity mpitarika maneran-tany ao amin’ny Fiangonana ity, izay manampy amin’ny fitarihana ireo mpikambana maneran-tany ao amin’ny Fiangonana izay efa ho 17 tapitrisa.

“Feno fankasitrahana izahay noho ny fandraisana tsara nasehonareo anay sy ny fomba andraisan’ny fitondram-panjakana ny Fiangonana,” hoy ny Loholona Cook tamin’Andriamatoa Rajoelina.

Nandritra ilay fihaonana tamin’ny talata 21 febroary dia nisaotra ihany koa an’Andriamatoa Rajoelina ny Loholona Cook noho ny fanoloran-tenan’ny firenena izay tantanany amin’ny fahalalahana ara-pivavahana.

“Manampy amin’ny fiarovana ny mpino sy ny tsy mpino ny fahalalahana ara-pivavahana,” hoy ny Loholona Cook.

Nisaotra ny Loholona Cook ny Filoha noho ny asa fanompoana nataon’ireo mpikambana ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany taorian’ireo rivo-doza nitranga vao haingana teo amin’ny firenena ary nampahatsiahy ny fitsidihana nataony tao amin’ireo trano fivorian’ny Fiangonana izay nanomezana fanampiana ho an’ireo sahirana.

“Nanampy ireo marefo indrindra ianareo,” hoy izy. “Ao anatin’ny fotoan-tsarotra no hahafantaranao hoe iza no namanao. Tena namana tokoa ny Fiangonana.”

Nanolotra vola 7,2 tapitrisa Dolara (30,8 miliara Ariary) tamin’ny fanampiana mikasika ny maha olona ho an’i Madagasikara ny Fiangonana tao anatin’ireo dimy taona lasa. Ny fanampiana dia nahitana karazany maro toy ny fanamaivanana ny fahavoazana tamin’ny loza voajanahary taorian’ireo rivo-doza, ny fanomezana fitaovam-pitsaboana sy fitaovana fiarovan-tena nandritra ny Covid-19, ary ny fananganana sekoly sy toeram-pitsaboana any amin’ireo faritra any ambanivohitra.

Nandritra ilay fihaonana dia nanolotra Ny Bokin’i Môrmôna nahitana ny anaran’ny Filoha nisoratra teo amin’ny fonony ho an’Andriamatoa Rajoelina ny Loholona Cook. Soratra masina miara-miasa amin’ny Baiboly ny Bokin’i Môrmôna ary testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy izany.

Nanome sarivongana Christus ho an’ny Filoha ihany koa izy, izay nolazain’Andriamatoa Rajoelina fa hapetrany eo ambony latabany. Nijoro ho vavolombelona ny amin’ny tena fisian’i Jesoa Kristy ny Loholona Cook ary nilaza fa niseho tany Amerika Fahiny i Jesoa Kristy taorian’ny nahafatesany sy ny Fitsanganany tamin’ny maty, araka izay voasoratra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Fandresena ireo olana

Niresaka mikasika ireo olana atrehan’ireo vahoaka ao amin’ny fireneny tamin’ny Loholona Cook Andriamatoa Rajoelina, ka isan’izany ny tsy fahampian-tsakafo, ny tsy fahafahana misitraka rano fisotro madio, ireo loza voajanahary mahakasika ny toetrandro ary ireo lalana misokatra azo araraotina eo amin’ny lafiny fanabeazana. Nilaza ny Loholona Cook hoe mino izy fa afaka manolotra fanampiana amin’ny tsirairay avy amin’ireo sehatra ireo ny Fiangonana. Samy nanolo-tena ny roa tonta mba hanomana ny antsipirian-javatra mikasika ireo fiaraha-miasa hatao amin’ny ho avy.

Nilaza tamin’ny Loholona Cook Andriamatoa Rajoelina fa hotolorana fankasitrahana noho ny fanampiana nentiny ny Fiangonana, saingy namaly ny Loholona Cook fa tsy mikatsaka zavatra toy izany ny Fiangonana.

“Tsy dia ny hahazo fankasitrahana loatra no vaindohan-draharahanay fa ny hikarakara ny olona,” hoy ny Loholona Cook.

Nidera ihany koa ny vahoaka eto Madagasikara ny Apôstôly noho ny fitombon’ny fianakavian’izy ireo sy ny fahavononany hiteraka na dia tsy mety amin’izany aza ny toe-javatra iainan’izy ireo.

Niaraka tamin’ny Loholona Cook sy ny Filoha Rajoelina ny Rahavavy Mary Cook, vadin’ny Loholona Cook, sy ireo mpitarika ao amin’ny fiangonana eo anivon’ny faritra eo an-toerana, isan’izany ny Loholona Edward Dube izay manara-maso ny fiangonana ao amin’ny faritra atsimon’i Afrika sy i Naume Dube vadiny, ary ny Filoha Hery F. Rakotoarivelo, izay mitarika ny misiônan’ny fiangonana ao Madagasikara.

Rehefa niomankomana ny handeha ilay vondrona dia nangataka ny Loholona Cook sy ireo olona hafa Andriamatoa Rajoelina mba hivavaka ho an’ny firenena sy ny vahoaka ao aminy.

Fiangonana eto Madagasikara

Amin’izao fotoana izao dia 14.000 no isan’ny mpikambana ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany eto Madagasikara. 30 taona lasa izay no niorenan’izany tamin’ny fomba ôfisialy tao amin’ny firenena.

Filoha Russell M. Nelson, nanambara tempoly ho an’i Madagasikara ny filohan’ny Fiangonana tamin’ny ôktôbra. Noho ny maha toerana miavaka azy ireny amin’ireo trano fiangonana rehefa alahady, ny tempoly dia trano miavaka hajaina fatratra izay raisin’ireo mpikamban’ny fiangonana ho masina. Izy ireny dia toerana azon’ny isam-batan’olona aleha mba hanaovana fampanantenana masina amin’ Andriamanitra, hahatsapana ny Fanahiny sy hisintahana amin’ireo rotorotom-piainana an-davanandro mahavalalanina.

Tsy mbola nambara ny toerana hisy ny tempoly, fa nilaza nefa Andriamatoa Rajoelina fa mahafaly azy ny mahafantatra fa hisy iray hatsangana ao amin’ny fireneny.

“Mamporisika tanteraka ny hanaovana izany aho,” hoy izy.

Nohazavain’ny Loholona Cook ny ifandraisan’ny tempoly amin’ny fanorenana fianakaviana mafy orina kokoa. “Manao fanambadiana maharitra mandrakizay ao amin’ny tempoly ireo tanora ary fehezina mandrakizay amin’ny fianakaviany,” hoy izy.

*** TAPITRA ***

Mba hahalalana zavatra misimisy kokoa momba Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia tsidiho ny https://www.venezauchrist.org/.

Raha manana fanontaniana na maniry hanao tafasiry dia mifandraisa amin’i Sandile Makasi amin’ny laharana +27 72 629 8898 na amin’ny MakasiSA@churchofjesuschrist.org